<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>I.D. Sankey</author>
<hymn_number>479</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jeso no anjara soa
 Izay mahafa-po tokoa,
 Soa tsy manam-paharoa,
 Ahy Jeso : Ampy izay.
 Ahy Jeso hatretý,
 Ahy Jeso hatrarý
 Ahy Jeso Zoky tia
 Mandrakizay doria, doria.

[V2]
 Vola sy harena be
 Maro tia tokoa anie ;
 Nefa mamiko ny hoe :
 Ahy Jeso : Ampy izay.
 Ahy Jeso hatretý, ..sns.

[V3]
 Fahefana, laza soa
 Mahafatifaty koa ;
 Nefa izao no tena soa :
 Ahy Jeso : Ampy izay.
 Ahy Jeso hatretý, ..sns.

[V4]
 Eny, izao rehetra izao
 Tsy hamoizako Anao,
 Fa Jeso izay tsy mandao !
 Ahy Jeso : Ampy izay.
 Ahy Jeso hatretý, ..sns.

[V5]
 Jeso, aina, hery, zo ;
 Jeso, lova tsy mba lo ;
 Jeso fiainam-po ;
 Ahy Jeso : Ampy izay.
 Ahy Jeso hatretý, ..sns.</lyrics>
<title>Jeso no anjarasoa izay mahafa-po tokoa FFPM479</title>
</song>